Mafana an-trano (Karako - Raharijaona Haja)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa iny aho manakombom-bava fa mahalala fombaNy avaliko azy ireo dia teny moramora ravahina somonga
Miezaka hatrany tsy mamaly bontana na manao be vava
Ny ao anaty anefa mangotraka fa tsy hita eny amin’ny tava.
Hanainga aho hamonjy ilay vohitra iray
Handeha hanovo hery, hatory any aminay
Trano mirindrina biriky menamena
Vavahady manga, voankazo sesehena !
Rehefa injay aho torovandrovan-tsaina, mitsiky fa tsy ravo
Ny vatabeko indro mionjina mikiry, miezaka tsy ho lavo
Mitsiky miarahaba sy mihatokato-doha fa entim-pahatsorana
Ao anaty anefa misy hery toa miotrika hamaha ny fatorana.
Ka hanainga aho hamonjy ilay vohitra iray
Handeha hanovo hery, hatory any aminay
Trano mirindrina biriky menamena
Vavahady manga, voankazo sesehena !
Rehefa any aho dia trondro anaty rano
F’izaho anie ry namana ka mafana an-trano
Misinda indraindray mitety firenena
Ny mahasambatra ahy dia ny miaina ny an’ny tena
Any aho mifanantsafa amin’izay rehetra tiako
Tsy voatery hanamarima ny anton’ny fisiako
Afaka mitafa, afaka mangina, ny tsiky tsy voatery
Ny zara hevitra dia voajanahary fa tsy miari-pery.
Miambozom-pakantsary fa handika ny hazavana
Miandry ny masoandro, hanora-hatsarana.
Raharijaona Haja
2026-02-14
--------
Rohy:
Sokajy :
Tanindrazana - Fisarahana - Embona - Fahatsiarovana - Fiaraha-monina - Fiainana - Aingam-panahy
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Karako - Raharijaona HajaNampiditra : karako
Daty : 14/02/2026 16:09
