Lazao azy ... (katiaa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny tsy niniana tsy mampino
Ny fahendrena? Manadino
Satria naratra ilay tina
Nangaingaina zary sina

Lazao azy lazao ihany
Ndana ihany aloha mankany
Miala fondro miala tsiny
Mampahatsiahy ny fahiny
Zay mba nety nataonao
Ny tao amponao ambarao

Ny fahanginanao taminy
Sy izay filanao vaniny
Bitsio aminy teneno
Ny hafinafina aleveno

Ny lafatra irinao ho azy
Hanala aminy ny sazy
Zay nangeja ny fiainany
Nahatonga ny tarainany
Ka mandehana re lazao
Hoe tsy afaka nanotra enao

Dia tsarovy foana foana
Ny fiainana eto zava-poana
Ny tsy mety zay atao
Hialao tsiny hazavao
--------
Rohy:
1164 1
Mpakafy: Zozoro
Hevitra mandeha
pissoa ( 17/12/2008 13:54)
Tsara be !
katiaa ( 17/12/2008 20:07)
Merci pissoa an
hery ( 19/12/2008 08:39)
Tiako ilay hoe

Ny tsy mety zay atao
Hialao tsiny hazavao

tsara ka
katiaa ( 19/12/2008 18:53)
hery> k zany kou aleo madio sy mazava sa ahoana hozy enaou?

Fa merci an :-)
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : katiaa
Nampiditra : katiaa
Daty : 10/12/2008 19:41
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.013