Ry foko onony (Kelifara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RY FOKO ONONY

Onony, onony
Aho tsy hieritreritra
‘rony lasana irony
‘zay be betrobetroka
Onony ry foko
F’andrao dia misoko

Raha sendra tsy tanty
Fa mametsovetso
Lasan-ko azy
Mba hanefosefo,
Onony fa sao…
Handrotika anao

Fa raha tena tsy mety
Mitady ho tamàna
Na efa miely
Ka sarotra alàna
Aza mihantra
Fa io no handratra

‘Zay sisa sy kely
Na amby tavela,
Raha mbola mamely
Aza andrasana ela
Ireny no ankaso
Ka tonga dia roaso !

KELPHARE le11-10-02-Soamanandrariny
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana
860 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Kelifara
Nampiditra : Kelifara
Daty : 12/06/2014 13:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0955