Injay (Ketsa)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Injay fa tonga indray ilay embona miainga avy any alavitra anyMoa va izaho no mahatsiaro sa enao no mieritreritra ahy
Fotoana fohy monja no any niarahantsika
Nefa kosa toa mafonja harovako tsy hangatsiaka
Taona maro izay no efa nifankahalalana
Mifamantatra taminy soratra sy sary
Ankehitriny nihaona ireo vatantsika
Ka tanteraka amin’izay ireo faniriana sesilany
Soa fa nisy ireny rehetra ireny
Nahafahana mamantatra ny tena avy ao anaty
Ka vao maika nampitombo ilay fitia
Izay efa ela no niorim-paka
Nihaona tokoa isika, tsy nisy toa izany
Inona anefa no nentiny izay
Fahasambarana tsy hita ho tantaraina
Sa kosa alahelo tsy hay tohaina
Toneko ny foko tsy hanantena
Fitiavana izay tsinjoko sahady fa tsy ho ahy
Fitiavana izay efa fantako
Fa andositra ahy ho any hafa indray
--------
Rohy:
Sokajy :
FITIAVANA