Hevitra momba ny Setrin'ilay tonkalo " adala ve ny tia? sy "sarotra"

Hiverina amin'ny Setrin'ilay tonkalo " adala ve ny tia? sy "sarotra"
Malalason ( 09/07/2004 11:31)
slt ny Ketsa
dia ahoana izany izy nefa tsy mety ampirafesina sady tsy tia mampirafy ? na izany na tsy izany aloha dia misaotra an'ise ny tenako
raha mahaliana an'ise dia valio.
R.JO
Ketsa ( 09/07/2004 12:03)
Dia tampona izany ny domy ! fa dia soa ihany fa mbola nisy ny tononkalo hanasitrana fo mivalo!
NyKanto ( 09/07/2004 13:07)
Mety tampina ve ny domim-pitiavana ? amiko tsia ny valiny... tsy misy tantara izay tena tapitra ka tsy azo atomboka intsony ... hevero tsara izany, ny fihaonana indray, ny fifampiresahana, eny na ny fisarahana aza dia manokatra lalam-baovao hatrany, tsy tena tampina tanteraka!!!
Ny Kanto.
Ketsa ( 12/07/2004 09:08)
Tampina ny domy @ilay olona tiany R Jo ka! satria efa any ankafa ny fon'ilay notiaviny.
bitaka ( 23/06/2006 11:20)
mankarary an-doha be ny misaina an'izany kah fanina sahady aho
Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0096