ha, ha, ha (Kinangananga)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sendra mba niantsena izy mianaka ao an-trano
I dada amin’izany somary mamomamo
Ito zaza indray no mampianatra ito rainy
Fa maro loatra mantsy ny zavatra tsy hainy

Ohatra voalohany indrindra tamin’izany
Ilay fomba fiarahabana toa tsy hay fa manontany
Tsy amim-panajana izay mandalo dia hoe kaiza
Zany re ny zaza rehefa ratsy taiza

Misy koa ny zavatra tsikariny fa tsy izy
Dia ny rentirentin’ny fitafin’ny ankizy
Pataloha mitovana iva teritery
Ka I dada koa nge zato mba revon-jerijery

Ha ! ilay kely ty adala tsisy ahoako akory
Izay zaza kely io ve no tsy ahitako tory
I Neny any an-trano mihaja sady maotina
Kanefa ve raha misy kosa ny azo araraotina

Ary amin’izany kosa mba ahoana ianareo
Tsy mahataitra lesy a, tsy toy ilay aninkeo
Haninkeo ahoana hay I dada taitra ihany
Tsy fidiny rey anaka fa fombany ihany izany

Inona izao itony mamariparitra ao aoriana
Hoy izato rainy sondriana dia sondriana
Ny masony amin’izany mijery fanambany
Tsy hoe adaladala fa mba tia ka manontany

Tamana izato rainy sy modimody adala
Ka manontanitany no sady te ahalala
Ny masony amin’izany mitsipalo-pijerena
Manontany ity zanany amin’ny adin-kafetsena
--------
Rohy:
Sokajy : Hatsikana
2065 1
Mpakafy: phyd
Hevitra mandeha
phyd ( 11/11/2005 08:09)
Io zany dia natao mba hihomezana fotsiny e
Merci daholo an
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Kinangananga
Nampiditra : phyd
Daty : 11/11/2005 08:06
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137