Tara_masoandroko (Kintanamanjopiaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tara_masoandroko

Dada sy neny ve ? Tsy manana ny ampy  izy ireny fa mikely aina fatratra mba hatafita ahy,
Miala vao mangira_dratsy ery manao ny aina tsy hozavatra nefa mijoro izy ho sahy,
Indraindray tafasoritra eny amin'ny endriny ny havalahany sy ilay molotra efa maina,
Fa ny hany ambeti_teniny dia hoe ny ahy iny zanako iny tsy avelako iala_maina,

Tsy ananako maro fa hany tokako ka ifoforako tsy andriako andro na alina,
Matetika sy mazana tsy miditra ny tokona_baravarana raha tsy efa misasakalina,
Ireo ranomaso mipatraka tsy lazaina intsony fa ny lazo_piainana etsy andaniny mapaory,
Dia mazana izy ireo tafiteniteny foana manao izay hintsin'ny vavany tsy tsaroiny akory,

Fitiavana daholy izany hoy izy ireo matoa izahay miteny foana,
Mila andriko mifoha maraina fa tovovavy noho izany esory ny akamoana,
Tsy mahalasa alavitra io hoy hatrany izy ireo,
MBentika lazaina fa mimenimenona dridra_lava fa na dia izany arany aza  mora leo,

Mampanantena hatrany fa ninoninona manjo, dia ianareo zanaka aloha,
Mankasitraka hatrany fa tsy atao raraka antany sanatria dia ao fa ihaino sy ankato,
Izay no masahana ao andoha
Ao fa asandrotro avo ny anaranareo fa tsy ahetry sanatria,
Ifofotra mafy aho hereziko izato dia
Dia indro matokia...
Kintanamanjopiaka
23 May 2023
--------
Rohy:
242 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Kintanamanjopiaka
Nampiditra : Kintanamanjopiaka
Daty : 03/06/2023 15:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0232