Hevitra momba ny RAHA TOA TSY MINO IANAO

Hiverina amin'ny RAHA TOA TSY MINO IANAO
raozigasy ( 16/11/2012 08:23)

Boraka fitia

Efa nindramiko izy, Fony ianao tsy nahalala
Ilay tao am-poko lalina, ilay saika lasa adala

Eny efa nindramiko, ilay mason’ny fitia,
Ny sain’ilay fitiavana, sy ilay fo tia ery

Fifanojoana angamba, no fondrony sy tsininy
Diso rindran-dalana, ny fararano sy ririniny

Ka ianao tara kely, izy lasa aloha,
Ianao izay vao taitra, izy efa nifoha

K’izao angaha no hafatra ! enjeho; malakia
Faingana ianao milaza, ilay boraka fitia
kiriah ( 16/11/2012 22:49)
..." Fifanojoana angamba, no fondrony sy tsininy
Diso rindran-dalana, ny fararano sy ririniny" ...

Tsara lay fomba filaza !
Bovalux ( 17/12/2012 13:02)
Niezaka ihany mba haka fa tsy hindrana
Hiaina ilay fitiavana sy hisotro ny hamaminy
Saingy indrisy fa toa voanatsindrana
Ka ankifonofono sy tsy fantatra ny aminy

Ahoana moa no hinoako fa misy ilay fitiavana
Izay ny fo-n'ny hafa no indramina hamantatra?
Zava-tsy mirindra fa toa sakeli-dàlana
Malàma sy mideza ka any an-kady no hifatratra

...
kiriah ( 08/01/2013 23:04)
ndeh indramo kely rah tou tsy mino ianao ...
Mousn ( 12/01/2013 08:27)
Niezaka nihindrana
Fa mety tsy henonao
ary tsy nijery vilana
tamin'ilay masom-pitiavanao

Niezaka nihindrana
Fa mety tsy henonao
ka nihevitra sy mirana
Tamin'ilay saim-pitiavanao

Niezaka nihindrana
Fa mety tsy henonao
nahatsapa fifaliana
Tamin'izay fom-pitiavanao

Efa nino tokoa aho
satria nampindraminao
ary nahatsapa ihany koa
fa tsy manam-paharoa
ny fitia ao anatinao
ary tiako tsotr'izao.

Nefa!
Hatraiza re no fetran'ilay fitiavanao?
Sao lahy hamitaka ahy indray
Ka any ora iray ahenoko ilay
hoe tofoka sy lao!
kiriah ( 24/02/2013 15:35)
Tsy ratsy ! , misaotra e !
raozigasy ( 08/06/2013 23:28)
Mino anao tanteraka ny foko sy fanahiko
Ary tsy misy akory izay kely hoe ahiahiko
Fa ny masonao , ny fonao izay mitia
Dia efa hahatsapako, ilay herin’ny fitia

Fa adala aho ry fitiavako, ka te hanantitrantitra
Sy te hamerimberina, ka tena ho tsara ranitra
Ka fitia hitsingerina an-jato taona maro
No ilanosantsika, miara-mifangaro

Tsy porofo no ilaiko, fa efa ampy ireo
Tsy ilaiko akory ianao, hiteny hoe jereo
Fa verimberin-teny, ilay mamy sy tsy foiko
Hoe ny fitiavantsika, kajiako sy koloiko

No tiako isambarana, ilay fitiavana mitia
No tiako itambarana, ilay fitiavana fa tia
No tiako ho alo-tsary, isan’andro mihavao
Sarin’ny fitiavana, fitiavako sy ianao
Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.009