You are here: home > Vetso

Raha.... - kotso

Azo vakiana?

Raha toa ka misy tsiahy,
Mitamberina tsy nahy.
Noho ny sompatra sy akaso
Ka mahatonga ranomaso

Dia avelao ihany hitraho
Aza tànana akory
Hanakotsa ny ondanao
'Reo ranomaso anaty tory

Raha toa ka mitamberina
Ny omaly efa levona
Na 'reo diary efa kila
Sy 'reo làsana efa dila

Dia avelao handeha ihany
Aza tànana na kely
Ho any an-koaotraotra any
Ny eritreritrao irery

Raha toa ka misy izany,
Dia mitomania ihany
.......
Fa saingy, izao no tadidio:
Ny faharesena omaly, hody tanjakao anio.

Sokajy : fiainana

Mombamomba

Mpanoratra : kotso

Nampiditra : kotso
Daty : 15/07/2004
Mpamangy : 956
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Raha....