Fa aleoko tsy nanana (La Tulipe)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa aleoko tsy nanana olo-nitia
Ny hitady azy atao sanatria
Toy izay hanan-dratsy
Handany ny vatsy
Avy eo vao hanenina
sy hanary penina

Ny kalon'ireo tsy misy mpitia
Dia mifarana amin'ny avia
Kanefa raha sendra fitia tena ratsy
Dia lazaina fa vintana ratsy
Fa sembanin-drahona foana
Ny ora, minitra, rehefa fotoana


Fa aleoko tsy nanana olo-nitia
Izay be siasia sy hiriaria
Toy izay hanan-dratsy
Hamono atsy ho atsy
Haningotra aina
Dia velon-taraina.

Ny vetsovetson'ireo manantiana
Tsy maha-te hiala fa mahavariana
Fitia tena marina tsy ho voasaraka
Fitiavan'ny ray aman-dreny sy zanaka
Izany anie no tadiaviko lahy
Mba tsy hisian'ny ahiahy

Satriko ihany ny mana-namana
Tena tsy ratsy fa tena havana
Fa aleoko tsy manana akory
Raha io avy no hampahory
Ka andrenesana sento any ho any
Angamba hitambatra hanjary tomany

Tiako ianao ry tia ahy
Ka aoka ianao mba tsy hanahy
Fa ny olombelona manam-panahy
No afaka hilaza fa mahatsiahy
Ka ianao tia no indro nitranga
Nisidina eny toa voromanga

Fa aleoko tsy manana olo-nitia
Ka tsy hiteny aho hoe "matokia"
Raha hitako fa toa ratsy daholo
Ny manodidina ahy manontolo
Fa hanimba ny fiainako izany
Ka hampijaly ahy eto an-tany.

La Tulipe
(05 / 06 / 83 )
Antsiranana
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
945 1
Mpakafy: andriary
Hevitra mandeha
nanaina ( 17/05/2006 11:50)
Ny tena tsara amiko dia ny manatsara izay ratsy ananako dia ho fahafinaretana ho anao ny mahita azy niova tsara lay ratsy taloha!fa mamantam bonona tsy dia tsara loatra!
amboary izy fa azo antoka fa ho voaovanao!misaotra e!
Malalason ( 18/05/2006 13:15)
kanefa tsy maintsy mandalo @ izay ianao raha mbola moaona ao anaty ny fitia...
saharoy ( 19/05/2006 03:28)
La tulipe
misaotra betsaka ry nanaina sy Malalason amin'ny torohevitra.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : La Tulipe
Nampiditra : monina
Daty : 12/05/2006 08:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0809