Nofy (Lady Landy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NofyNanonofy aho hoe
Hifamadika ny lanitra sy tany
Ny tany lasa ambony
Ny lanitra ety ambany
Nanonofy aho hoe
Raha tanteraka izany
Hoe ny lanitra ety ambany
Angamba mety ho lany andro
Misangisangy amin'y andro antoandro
Nanonofy aho hoe
Raha izany no tena misy
Hoe ny lanitra ety ambany
Fatako izy hoe hanorana
avy hatrany aho nitondra aro-orana
Nanonofy aho hoe
Tsy nofy intsony no hiainako
Fa tena zava-misy marina
Tsy hisy tsony amgamba
Ny lohataona fahavaratra
Ny ririnina sy orambaratra
Ny tarigetra ny azy tokana
Dia ny lanitra ho manga
Lady Landy
--------
Rohy:
Sokajy :
Fisarahana - Aingam-panahy
