Ahiahy (Lanja Menja)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianao, adalako

Aza ampatsahivina ahy amin'ny aliko matory
Ireo tebitebin-tsaiko rehefa injay ahita an'azy
Ka fohazinao daholo ny rehetra nampaory
Ny sangisanginy nandratra natao misary vazivazy

Fa tsy laitrako raha toa ka ianao no ifoterany
Anesorako ny rihitra izay voahangoko tsy nahy
Foiny tamiko daholo lainga, latsa tsy noferany
Fa natorany an-tavako nangoleny ny fanahy

Satriko ny hotiavina, satry foana ny mandray
Safononoka fitia ambony rahona maharitra
Tsy angatahina fameriny, tsy volena ahiahy
Fa omena omena ihany nofinofy mahafinaritra

Saingy ahoana no ahafahako hampandry ny eritreritro
Raha ianao nanandratra ahy no ampianariko hijanga
Nefa haiko fa tsy zaka ary tsy hanambatra ny feriko
Raha misy hafa hovesariko setrasetrako mitranga ?

Aleo afeniko daholo any am-poko tsara fono
Ny adalako nampiraika sy nambabo fo fanahy
Fa ndrao maniry tsilo tao ka arahan-dromoromo
Raha fitiavan'olona any no samboriko ho ahy.

Lanja
--------
Rohy:
987 1
Mpakafy: Arimalala
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lanja Menja
Nampiditra : besorongola
Daty : 25/11/2003 16:55
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0129