You are here: home > Vetso

Aoka izay - lanjaadalampitiavana

Azo vakiana?

Angamba
aleo aho hikipy
inia tsy hijery
ilay endrikao mitsiky
mifono mistery
Mantsy
ndrao tsy ilay sainiko akory
no ambaran'izy iny
ka anjary tsy ampatory
toy ny aliko fahiny
Satria
matahotra aho mantsy
ny ho raiki-pitia
ka anjary angasihasy
refa tsy tafara-dia
Fa
efa ampy ahy
ireo lasa nolalovana
nahafantaran'ny fanahy
izany ngaina sy torovana

Sokajy : Ahiahy, Ahiahy, Ahiahy

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : lanjaadalampitiavana

Nampiditra : lanjaadalampitiavana
Daty : 29/11/2003
Mpamangy : 1790
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

nofy
Mba rahoviana