Ampidiro aloha ny tenimiafina
Aza manadino (lanto R.)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na lavitra ahy aza ianao anio.Ireo fiarahana hatrizay no mba tadidio.
Feno tsiahy tsy mety voafafa.
Eny,raketo ao am-po irony lasa.
Ny halavirana tsy hampiova ilay fitia.
Ny adiady tsy maintsy misy fa mba tsarovy ilay hoe: "Ho doria".
Aza manadino ilay voady nifanekena.
Izaho sy ianao ilay tsy nisy noterena.
Ny fakam-panahy tsy maintsy lalovana.
Ny foko efa lasanao tsy ataoko hisy handrodana.
Tiavo hatrany aho r'ilay silam-panahy.
Ny hoavy banjino ary aza asiana ahiahy.
Tiako ianao,tena tiako tokoa.
Ianao irery ihany no tokana ato am-po.
Ny hivadika dia sanatria.
F'efa babonao aho ka tena tia.
Manantena ny hiaona tsy ho ela.
Miandry anao ilay akany sisa tavela.
--------
Lien:
Catégorie :
fitiavana, elanelan-tany - embona
Fans:
titinounous - Htee
