Efa sambatra hono izy (Lapino)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
(Setrin'ny tononkalon'i Rado hoe Ambangovangony)

Efa sambatra hono izy, raha vao niala taminao
Dia nahita olon-kafa,
Namany fony ankizy, mbola niara-nilalao.

Efa sambatra hono izy, efa hadinony daholo
Izay nataony ho voafafa,
Ka sondriana izaitsizy mankafy ny tontolo.

Efa sambatra hono izy, satria efa voafohany
Avy tao anatiny ao
Tafavoaka ny krizy ilay fitiavany voalohany

Efa sambatra hono izy, foana tsy nisy intsony
Ireo vazovazonao,
Ka mionona izato izy, fa veloma hoy ny fony!

Setrin'ny https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/ambangovangony
--------
Rohy:
Sokajy : Setriny
718 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lapino
Nampiditra : hery
Daty : 01/12/2019 20:52
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2235