MBOLA HISY VE ? - 'Lay fo hafa kely
Mbola hisy ve ny teny, hilazako ny fitiavako
fa tsisy miafina aminao, ny tontoloko rehetra
eny hatramin'ny tomany, nampangovitra ny vavako
sy ny hiakam-pifaliana, nanao amboletra
Mbola hisy ve ny teny, hilazako ny tantara
niainako irery, nozaraiko taminao
fa fantatrao daholo, na ny tsy ambara
niafina tanaty, tsiambaratelo tao
Mbola hisy ve ny teny, hilazako ny ampitso
fa ny lasako rehetra efa any aminao
lay saina verivery sy lay hevitra nandiso
no indro nahitsy rehefa tanilanao
Koa mbola hisy ary ve ny teny
hilazako ny tsy fantatra
mampangovitra ny fo, mampitosaka ny eny
fa safidiko ianao, ilay tokana fatratra
Sokajy :
Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : 'Lay fo hafa kely

Nampiditra : Rakparfait
Daty : 15/11/2013
Mpamangy : 1852
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
TIAKO IANAOtrondro
EMBONA 2
‘LAY HAZO
FA TIAKO LOATRA IANAO
KANEFA E !
EMBONA
TSY HO RESY
‘LAY MALALAKO
TSIAHY