IZY (Lia Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izy ilay niharitra ny ditrako
Tsy mba mety leo
Na inona na inona miseho
Fa nanitsy izay rehetra vitako

Izy ilay nijaly am-pahanginana
Ireo adalako no nataony fihinana
Tsy mba nibedy na nidaroka akory
Fa tena nananatra tamin'ny fony

Izy no nanoro ahy ny lalana marina
fa izaho no mody fanina
Ireo ditraditrako tsy nafoiko
Kanjo rehefa voa dia izy ihany no antsoiko

I Neny...
Tsy mba sasatra niteny
Raha lavo aho dia izy no nanangana ahy
Raha izy no eo anilako dia tsy misy mampanahy

Fa raha mbola tany koa ny tany
Tsy hisy hahasolo izany fitiavan'i neny izany
Ny mandratra azy no ataovy fady
Fa mety hampivarina anao any an-kady


Lîã Añdrïä
31 Octobre 2K22
--------
Rohy:
431 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lia Andria
Nampiditra : LIAHANDRIAH
Daty : 31/10/2022 12:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.013