You are here: home > Vetso

Ny hoe "tia"... - Lianah

Azo vakiana?

Ny hoe “ tia”,

Tsy mba vitan’ny imolotra,
ny atao hoe mitia…
Fa ny avy ao am-po atolotra,
F’izay no tena fy.

Tsy ny be fihetseham-po,
tsy izany ny hoe tia,
Fa ilay mikatsaka ny soa,
mba haharitra ho doria.

Ny tia tsy ny ho ahy ihany
Fa mijery ny ho azy koa
Toa tsy ho vita mora izany ,
Raha tsy samy tia ny roa
                                 AMHA

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

nikopol (10/04/2005 12:00:43)

sambatra ny tia
mazotoa be

pika (14/04/2005 10:15:50)

marina ny lazain'i AMHA, saingy tsy dia azoko loatra ny hoe "tsy ny be fihetseham-po tsy izany ny hoe tia"ny fo mitepo fitia dia mandeha ho azy ny fihetseham-po fa tsy fananiana na foronina .

lianah (23/04/2005 13:46:23)

Tsy diso ny nolazaina ry pika hoe mandeha hoa azy ny fihetsehampo a.Ny marimarina kokoa dia izao:maro ireo mafana fo fotsiny ka tsy mahalala na mihevitra akory izay mety ho vokany,i.e entin'ny fo miditra an'jambany fotsiny ka vao nandroso dia lavo.Izay aloha angamba fa mety ho lavabe raha atao ny fanadihadihana.

Brookesia (21/05/2005 12:45:59)

ka tia an'ilay tsy tia, de ahoana?
tsy aleo mangiana foana?
De aiza no atolotra
le vokatry ny fo?
Sa tehirizina ho lo?

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Lianah

Nampiditra : lianah
Daty : 09/04/2005
Mpamangy : 590
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Ilai fitia