Fitiavana (Liantsoa RADANIELISON)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fitiavana

Inona aminao ny tena atao hoe Tia
... Famaritana tsotsotra ilay antsoina oe fitia
Tsy ilay fitiavana lazaina ho "mandrakzay doria"
ifanoloran'ny mpivady n'a koa mpifankatia

Tsy ilay fitiavana terena
Mampiteny hoe sanatria
Tsy ilay je t'aime matetika
Makà etsy maka ery

Ts'ilay Fitiavan-dray sy reny ny zanany etsy ery
N'a koa Fitiavam-bola
Aiza kosa e! aoka etsy

Tsy ilay fitiavan-tseza
Manjakazaka aty arý
Na sanatria Fitiavan-tena
Na koa Fitiavam-pi (toaka izany ho an'izay tsy mahalala!
hihihi )

Etsy ange Vakio f'ity manaraka éto ity.
Lay tena hoe fitiavana ilay tena hoe fitia,
lay tiako ho fiainanao,tiako ho fiainantsika ety
ambonin'ity tany fandalovantsika ity

Mety hanontany isika fanga tsy Efa iry
voalaza ambony rehetra iry??tsia! Tsii!
Fa Eny e, ity....
Lay fitiavana madio tsy misy tohiny hoe satria

Lay avy amin'Izy Tompo
Dia ilay Rainao be Fitia
Lay fitiavana voalohany Tsy mahay miantsara velatsia
Tsy iankinan-drohim-pihavanana na iankinan'hoe satria

Eny, Lay Fitiavana ny hafa
tsy misy antony hoe ity!!
Lay Fitiavana-tsisy tambiny
lay tsy sandaina sanatria

Lay fitiavana ny hafa
Toy ny itiavana ny tena
Lay avy amin'Izy Ray
Tsy sanatria an-katerena

ilay tena avy ao am-po
omena maimaim-poana
ilay Fitiavan- tsy mba lefy
Tsy mba ravaravan-taona
Ampinga hananao izany??

Mpanoratra:Liantsoa Radanielison 15août 2022
--------
Rohy:
Sokajy : Marsa 2024
139 0
Hevitra mandeha
LiantsoaRL ( 26/03/2024 11:35)
Famaritana ny tena atao hoe tia
LiantsoaRL ( 26/03/2024 11:35)
Famaritana ny tena atao hoe tia
LiantsoaRL ( 26/03/2024 11:36)
Famaritana ny tena atao hoe tia
LiantsoaRL ( 26/03/2024 11:36)
Famaritana ny tena atao hoe tia
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Liantsoa RADANIELISON
Nampiditra : LiantsoaRL
Daty : 26/03/2024 11:30
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0132