Tsiaro ho an'i Zo (Lila Ratsifandrihamanana)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raikitra ato an-doha ilay niarahantsika
Efa-mianadahy
Fa sendra tafahaona vao vetivety foana
Ravo ny fanahy
... Nahita anao sariaka sy mirana erý
Nanolotra ho anay ny tsiro sy ny fý
D'Ianao niteny hoe, somary mihomehy
« Tandremo sao tsy tonga, rehefa izaho no handeha ! »
Toa vazivazy monja, kinanjo tsy hitahita
Tonga ilay fotoana dia lasa ianao niampita

Zo
Sarotra hinoana f’anjaranao sahady
Anio ilay fiantsoana ! Ny fo mangadihady
Maratra sady ory, fa vao tsy ela akory
Ny raho-nitatao, ny voina izay nanjò
Tamin'izay ianao nijoro ho lahimatoa
Ny ratra sy ny fery tsy mbola nety lao
Dia kapoka mahery no nandramby anao
Ka ankona izahay, toa manontany tena
Fa dia nahoana loatra? Anefa koa ekena
Tsy afaka manoatra izay sitraky ny Ray

Zo
Hofihininay haharitra doria
Fitia tsy nety lany
Nentinao nameno ny andronao tetý
Dia hotsaroana hatrany
Ianao ilay Zo, mampiravo fo
Andry niankinan'ny fianakaviana
Zoky tena toky, vady nihantana
Ray nanolokolo, ianao nifofo volo
Nisasatra nikiry
Namelona hafanana, raha sendra hirifiry

Zo
Isaorana ny Ray fa izy nanome
Anao ho rehareha
Na vetivety foana ny difin'ny fotoana !
Avelao ho anay ny sento sy tomany
Fa mendrika ho anao ny torimaso mamy.


Lila Ratsifandrihamanana
02 Oktobra 2011

____________
[Tononkalo nosoratan'i Lila Ratsifandrihamanana ho an'i Zo Ratsifandrihamanana anadahiny izay nodimandry tampoka ny omalin'io.]
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
868 2
Mpakafy: Djess - KALITABEMANGISO
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lila Ratsifandrihamanana
Nampiditra : ikalamako
Daty : 28/11/2020 19:35
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138