NIOVA DIKA (lobo ravnal)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
efa nosasako
Tamin'ny vongan-dranomaso
Ny tsiaron-dasantsika
Hatramin'ilay minitra
Izay nahalalako anao
Tsy hisy intsony "IANAO"
Amin'ny fiandohan'ny pejin'
Ny boky vaovao
fa
soratr'olonkendry
Nahay nampionontena
Na dia nilaozanao
...
Fa mbola manantena
Ny tsiky ny maraina hisandratra eto anivo...
Ny lanitra marivo
Nampiroboka ahy hisasa
Ny andro lasa
Fe mijaly nampobain'ny fo maratra
Tao anaty aizi-ngaly
fa...
Tsy hisy fahatsiarovana hisary dindo aloka
Eo ampijerena volana
Na nofy ndeha hikaroka
Ny "misinao" tsy anilako...
Ny ahy tononkirako
Efa mba novako dika
Ka tsy ilay "isika" intsony
Fa olon-kafa indray izao no masaka ao am-pony...
LOBO R
--------
Rohy:
Sokajy : Hambom-po
921 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : lobo ravnal
Nampiditra : loboravnal
Daty : 03/04/2016 20:14
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0131