Tsy haiko (maharavo ANDRIAMALINARIVO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy haiko afenina;
ilay hery iray;
tao anaty tao
ka...
haposako indray;
mba ho rehanao;

tiako ho hideradera;
hivandravandra,hisehoseho;
k'anefa...
vao miha manonja;
milentika;
miafina,mihirina
ka aleo afeniko,
tsy ho teneniko!
mba tsy ho hitanao
rehanao
tsinjonao
ilay toloko ampoko ao!
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
674 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : maharavo ANDRIAMALINARIVO
Nampiditra : Fatals
Daty : 08/12/2016 06:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136