Ry volam-pitia, ampitao any ny hafatro (Mahery R.)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Injay ilay vetso fa tonga indray
Vao maraina d’efa mampatsiahy
Mampatsiahy ilay silako mamy
Mampanidina hiala amin’ny Tany

Izany Foko toa lavitra irery,
Izany masoko mba te hijery
Fa manembona no azoko atao
Ilay manitra eo anilanao

Fa indro ilay volana, mitaratra ambony
Ilay fenomanana tonga hampitony
Mitondra tsiky, mitondra hazavana
Mibaliaka aok’izany sy mahatamana

Toa te hiteny, toa te hampifaly
Izato Foko efa sitrana omaly
Fa sombin-tsikiny sisa ilaiko
Dia hilamina hatramin’ny saiko

Ilay sombin-tany mpizara tomaratra,
Ilay hany tokona fampitako ny hafatra
Mandalova matetika ihany
Fa mangiana aok’izany ny Akany

Fa tsy manana raha izay sahala
Fa sady tiako no tian’i Malala
Tetezana iray mampifandray,
Ilay Fonay mitambatra ho iray,
--------
Rohy:
657 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Mahery R.
Nampiditra : naivomah3
Daty : 25/04/2020 17:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0587