Fitia avy amin'ny fo (Malala Rahalisoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hatramin'izay nahitako anao
Dia tsapako ao anatiko ao
'lay fihetseham-po tsy hay faritana
Tsy hay lazaina
Mamelombelona aina
Nefa koa indraindray mandorondoro
Fa maniry anao hikolokolo
'lay fo midobodoboka
Noseraninao dia roboka

Hé! 'zato fijerinao malefaka
Soa fa fitia mifamaly
Raha tsy 'zany angamba nankarary

Toa satry hahita anao isan'ora,isan'andro
Malahelo rehefa mody masoandro
Tsy mandeha io fotoana io manko
Rehefa tsy anilan'ny tiana
Satria tsy misy rotsirotsiana

Dia 'zay 'lay fitiavana
Mampandrevirevy
Mahalasa vinany
Hoe...any izay ilay malalako any ho any.
--------
Rohy:
Sokajy : Embona - Fitiavana
240 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Malala Rahalisoa
Nampiditra : MalalaRahalisoa
Daty : 05/10/2024 10:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3892