TSY MAINTSY HISY (MAMY LALAINA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha mbola misy ihany
dahalo iray voasambotra
kanefa tsy migadra

dia tsy maintsy hisy hatrany
ny asa ratsy mahatsiravina
horohoro,dradradradra.

Raha mbola misy ihany
marina voavidy vola
eto anivon'ny tontolo

dia tsy maintsy hisy hatrany
fanosena ny madinika
tena mampitsangam-bolo.

Raha mbola misy ihany
voan-drongony iray
mitsimoka any ho any

dia tsy maintsy mbola hisy
olona iray
hivelona amin'izany.


MAMY LALAINA (20/01/03)
(Rarivato-jona 2003)
--------
Rohy:
976 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MAMY LALAINA
Nampiditra : tslem
Daty : 16/06/2007 14:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015