You are here: home > Vetso

Ilay fahiny - MANANTENA Evaristee

Azo vakiana?

Ilay fahiny
  
  Ilay fahiny efa dila-niela
  Saingy ny ratra fahiny manolatra tsy mamela

  Ilay fahiny
Intsika nanao voady
Nifanaiky fa hiaradia mandramaty

Ilay fahiny
  nifanome toky fa hiaradia
  ny hisaraka ho sanatria

Ireo lalana niarahadi sy,
Ireo ora-mamy nizarana fity...indreny fo roa nafatotr'ilay fity!

Indray andro niara-dalana,niara-nitsangatsangana ary nifandray tanana fa hikatsaka ny fahasambarana....

   kinanjo indrisy!! Raha teny atenatenan-dalana,
-nosarahan'ny sapanana ka nataony atsimo sy avaratra

Eny!nisara-toerana sy satry ka nigoka ny mangidy sy ny mafy...toa te ho faty

Ry pamangy,toa ratra tsy hitony, angamba tsy hitia intsony fa kila may ny fony..!!

[MANANTENA Evariste,ilay fahiny,nov 2021]
  

Mombamomba

Mpanoratra : MANANTENA Evaristee

Nampiditra : Ilay FANAMBY
Daty : 07/11/2021
Mpamangy : 90
Mankafy : 0