Ampidiro aloha ny tenimiafina
Aza mifosa (Mandrantosoa LeProf)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha misy tsy tiana dia aleo miresakaFa aza mba zatra mifosa an-damosina.
Raha misy ny zava-maharary, mamesatra,
Lazao ahy aty fa aza fonofonosina.
Raha misy ny zava-mandona ny fo,
Mety mahatezitra sady mandrangitra
Aleo mifanatona foana mialohan'
Ny hihainoana izay resaka any ambadimbadika.
Izay zava-mahasosotra manimba saina,
Lazao mba iaraha-mitady vahaolana.
Fa aza atao toy ny mofo dipaina,
Tsy hay izay loha sy vodiny, mampifanolana.
Raha misy otri-po mety mandevilevy,
Raha misy ny tasy mandoto, manarina.
Tongava miresaka fa tsisy bedy e,
Izany ny fomban'ny olona marina.
Ny teny manko hono zareo toy ny atody,
Raha foy manan'elatra, lasa tsy tana.
Ny teny manidina ka sao hanody,
Hiteraka ady, handrava tanàna.
Ka raha misy tsy tiana e, aleo miresaka,
Fa aza mifosa, manao ratsy toetra.
Ny marina anie ka tsy maintsy hitresaka e,
Hivoaka, hiparitaka, ho ren'nyy rehetra.
--------
Lien:
Catégorie :
Fiaraha-monina - Fiaraha-monina
