Izaho sy Ianao - mangamaso
Azo vakiana?
Izaho sy Ianao
Ianao lohataona
Izaho fahavaratra
Ny ho avinao feno fanantenana
Ny ahy efa eto anoloana
Ianao fahavaratra
Izaho fararano
Ny fiainanao mamirapiratra
Ny ahy mbola mahafinaritra izao
Ianao fararano
Izaho ririnina
Mbola mitepotepo anie ny fo
Na efa mandroso ao fahanterana
Tritriva 17/08/09
Sokajy :
fiainana
Hevitra mandeha
Mysento (17/08/2009 13:45:49)
mangamaso (17/08/2009 16:00:08)
endrika01 (17/08/2009 19:35:32)
Mombamomba
Mpanoratra : mangamaso
Nampiditra : mangamasoDaty : 17/08/2009
Mpamangy : 1131
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Pour toi mon angeHo an'i Nirina