Mpanoratra (manitra ANDRIAMASINORO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mampiakanjo jaky hiakam-po tsy mety himpirina,
Midradra azy amin-kafanana eo anivon'ny ririnina,
Voaozona hampihetsika izay zavatra banjinina;
Angamba izay no mpanoratra.

Mandoko ny loko mba hahazo laka kokoa,
Mpampaha-anio ny ampitso, mampaha-anio ny taloha
Manasivana ny sivana, mampatory ny mifoha;
Angamba izay ny mpanoratra.

Ateraka hampivoitra sela iray nolovana,
Mahay mampiteny ireo tantara noravana...
Mijery dia mijoro rehefa hita izay zahana;
Angamba izay no mpanoratra.

Fenofeno rehefa injay fa nahatafita hafatra,
Ny asa sorany iray mba nokaliany fatratra,
Miitsiky izy dia tomany, taratry ny tonga lafatra;
Angamba izay no mpanoratra.
Manitra ANDRIAMASINAVALONA, sandratra l, tak. 6
--------
Rohy:
930 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : manitra ANDRIAMASINORO
Nampiditra : z'andrygasy
Daty : 17/06/2015 12:39
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142