You are here: home > Vetso

VAVAKA - MANITRA SJO

Azo vakiana?

VAVAKA
Ry Andriamanitra, ray faratampony,
Tompon'ny hery sy ny fahefana!
Tahio izy tsy ho folaka an_dantony,
Arovy amin'ny ratsy sy ny asan'ny satana!

Omeo hery, fanahy fahazavana,
Hanilo ny diany mba ho tafita!
Ho tody soa amantsara aty an_tanĂ na,
Hahavita fianarana tsy misy tomikA!

Ny fahasalamany, ombao fitahiana,
Ny ezaka ataony, ombao hery!
Mba hahatongavany amin'zay iriny,
Toroy lalana mba tsy ho very!

Ny alahelony, soloy hafaliana!
Ny herim_pony ampio zato heny!
Halaviro azy ny fahakiviana,
Ry Jesoa zoky, ry Maria reny!

MANITRA (20/06/21)

Mombamomba

Mpanoratra : MANITRA SJO

Nampiditra : Herimar
Daty : 20/06/2021
Mpamangy : 59
Mankafy : 0