TSY NANENENAKO (Onja RAKOTOMALALA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy mahita tory dia miezaka mahatsiaro ny lasa rehetra teto.
Mandrafi-tononkalo ny mamy sy ny sento niainana taloha.
Ianao rahateo koa moa efa ela tsy dia tazana.
Inoako f'efa miadana nahavita nanadino.

Izaho aty manembona sy mbola tena mino
hoe isika indray andro any dia mbola hifanena.
Mety samy hiezaka hahay hifehifehy tena na inona herivaikan'ny zavatra natao.
Tantara manko ireny fa efa samy manana ny fiainany amin'izao.

Tsy adino na dia aza nandalo toy ny tselatra.
Nahita sarinao aho dia mbola io ilay peratra nomeko tamin'izany.
Inona no havalinao raha misy manontany,
Novidian'i Neny ve sa hoe novidianao ihany sa hotsorinao ny marina?

Tsy nanambola mihitsy aho fa saingy notakarina satria ianao dia tiana.
Tena fifaliana rehefa afaka manolotra firavaka vaovao.
Saingy ny hadisoako dia ny diso tia anao,
nanao anao ho ambony tamin'izay rehetra atao ary diso nampandefitra izay tokony hoan'ny tenako

Kanefa tsy anenenako ny zavatra rehetra
Afa-po aho rehefa hoe nitia tsy nisy fetra sy koa mahatsapa tena fa nanome ny mihoatra.
Ianao iny aza angamba indraindray nahatsapa loatra hoe tena diso tiana.
Nomena izay niriana raha nisy ny hery ananana.
Raha sendra hoe fananana ka afaka nanao,
dia tsy nisalasala aho nanolotra ny tanako.
Tiana tena tiana ianao fa saingy hoe tsy anjarako.

Onja RAKOTOMALALA
--------
Rohy:
20 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Onja RAKOTOMALALA
Nampiditra : MAZ RAMANA
Daty : 26/08/2026 15:57
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0147