Commentaire à propos de Fanasemporana

Revenir à Fanasemporana
mishou ( 01/04/2005 09:11)
Miala tsiny aminao merinaforever aho raha manoratra ho anao fa tena tsy mamely amiko ny tononkalo toy itony, mahamenatra. Merina toa anao ary andriana mihitsy aza @ firazanana, fa tsy izany akory no midika fa inona aho.
Mipatraka aty frantsa aho izao, black no hiantsoana ahy, mazava aminao angamba ny lanjanao na merina ianao na andriana na inona tany @ taninao tany, tsy any ny olana, homme na femme de couleur ianao ary mba hanamora ny fiainana dia black no iantsoana anao. Ka avelao any izany resaka izany fa sady tsy mampahia no tsy mampatavy no sady tsy mitondra soa na ho anao na ho an'ny mpamaky na ho an'izay olona "ciblé" nao. Fivondronam-ben'ny afrikana no misy anao, ary tany "sous dévéloppé" fa mody hatsaraina tsy handratra fo dia lazaina fa tany andalam-pandrosoana, ka na merina ianao na côtier, madagasikara no misy anao ary isaina avy any ambany @ lisitry ny tany mahantra indrindra ny kilasy misy azy raha tiana ho viata haingana ny fanisana.
Misy fahendrena amiko ny miezaka hanampy ny mpitondra @ fomba rehetra hampandroso ny gasikara tanindrazana fa tsy ny fanindraindrana izay niavianao.
Misaotra anao namaky hatr@ farany. Miala tsiny raha mavesatra ny fiteny fa izay no fomba hahitan'izao tontolo izao anao.
rabona ( 01/04/2005 19:40)
izany no olona hatao hoe manan-tsaina sy nianatra ,nahay nanazava sy diplomaty 'mishou'
raha azoko tsara ry merinaforever dia ny "merina tsy Malagasy satria hoy ianao hoe "fa tsy merina intsony aho fa malagasy" diso ianao fa izaho merina taranaky ranavalona fa MALAGASY , fa aminao ny merina inona kay andriamatoa ?tena vao maika manambany ny razako ianao , ny hany hangatahako aminao dia mianara tsara aloha ny tataran'ny malagasy sy ny niaviany avy eo vao manoratra eto ,fa @ vazaha ianao mainty sady mahanitra , ny olona miala ao @ fahantrano no hiadiana fa tsy ny mahamerina sy ny tsy mahamerina , ianao ilay kely ka te hijanona kely , te heverina any @ taona tsy fantatro , ary mitady hampiady foko ianao diniho tsara anie raha manantsaina ianao e!
ny olona diso lalana sy ao @ fahajambana tanteraka toa anao no mila hahitsy ary aza gaga raha be ny mpanananatra fa tena tsy toe-tsaina merina izany fa toetsain'ny olona ambany sy tsy mahatakatra lavitra ,mahereza fa mbola be ny ezaka zatovo
Merinaforever ( 01/04/2005 23:02)
Miala tsiny fa raha "tsy mamely" aminao ny tononkaloko dia avelao ho an'ny hafa fa aza vakiana.Tsy afaka hanery anao aho na hiangavy anao mba hankamamy azy.Ataoko fa na mahamenatra anao aza ny votoatiny,dia tsy maintsy misy foana faly sy ravo amin'izany na tsy miteny aza.Hajao ary izy ireny ka avelao handinika ho azy fa tsy hitelina ny voatsakonao.Raha misy tsy mazava aminao fa maizina dia ataoko fa tsy hadisoako foana.Raha dinidinika momba izany no tediavinao dia mandehana any amin'ity adiresy ity www.rktmb.org fa tsy eto.
Marihiko fa ny tenako dia tsy voatery handraraha izay fomba fijerin'ny vazaha ahy.Raha Mena na Fotsy daholo no fahitan'izy ireny ny olona any Amerika dia tsy misy mampihetsi-bolomaso ahy izany.'Zay fomba fahitany azy dia azy.
sonwin ( 10/04/2005 16:05)
mishou sy rabona> tsy tokony ho toy izany ny handraisana ny tononkalo sahala itony. Azo atao ny manana fomba fijery positivisme.Satria raha ny fahitako azy tsy misy resaka racisme na fiheboheboana ilay tononkalo fa misarika ny namany mitovy aminy ho tonga saina izy.
Ajouter un commentaire
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0094