Commentaire à propos de Angamba aho ho tianao ihany

Revenir à Angamba aho ho tianao ihany
yonikafopl ( 18/01/2005 15:42)
Tsara sy mahafinaritra, mijoroa hatrany @ finoana anananao ary aza manaiky ho resin'ny fakam-panahin'izao tontolo izao.Mampahery anao.
Miarantsoa ( 18/01/2005 15:59)
Miasaotrra an' i Yoni
Miarantsoa
SOBIKA ( 08/02/2005 15:22)
mazotoa eh ! midera ny herimponao hitia hatrany Ilay nahary dia tano mafy ilay satroboninahitrao tsy hisy haka!!!
fikiro tsy hianjera ilay fiandrianana efa azonao!

So
pissoa ( 15/03/2005 20:23)
Mba azo azavaina ve ity partie kely ity (raha ianao ihany no mpanoratra):

'Angamba aho tianao ihany
Raha nihinana kisoa !
Dia satrinao hatrany
Raha ho maloto koa
Ny fiainako rehetra .'

Raha ny fandraisako azy mantsy dia manohina ilay izy. Toa miapanga ny hafa izany ilay tononkalo. Enga anie ho diso aho.
(Azonao ato ny mamalyahy ato amin'ny namana fa tsy eto amin'ny takelaka tononkalo raha toa ...)
jentilisa ( 25/04/2005 15:36)
Fa maninona tokoa ilay mihinana kisoa? IO indray no tsy nitovizako hevitra taminao satria toa manjary maneho izany hoe antendrony loatra ianao. Toa tsapako ny tao anatin'ilay andefasanao ny vetso mangina satria fomba fijery tsy mitovy no anananareo. Izy mety tsy hitady izay mpamono vady sy ny karazany saingy sao adinonao izy rehefa iny fa iray tokantrano ianareo.
Satria mety ho ilay tena tsy ekenao no laoka tiany. Izaho aloha tia henakisoa e! Tsy norarana ho anay jentilisa manko ireny araka ny asan'ny apostoly 15 raha tsy diso aho. Saiky tena tsara ilay tononkalo e!
Ajouter un commentaire
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0104