Rehefa tia (Mihran)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa Tia
Mazàna rehefa tia dia manjombonjombon'endrika
Toa manirery izany,lasalasa saina,somary tsy be teny
Tsy mahita tory fa mivadibadi-mandry
Mitady azy an-tsaina mandrapaha maraina
Manantena ny ahita azy, anefa toa mangaina

Dia...manontany i zoky
Angaha ianao marary e ?
Tsy hita izay havaly fa,
Manao anakam-po hoe:"Itony koa toy ny tsy mba  nandalo tamin'izany"
Asa moa raha tsapany fa toy izany hatrany.

Ny ahy indray kosa dia tsy mba toy izany
Mitsikitsiky lava tsy hita fiafarany
Mijery ny sarinao dia miramiran-tava
Toy ny zazakely, mifalifaly havanja.

                                    Mihran
--------
Rohy:
Sokajy : Marsa 2024
157 3
Mpakafy: hery - SANAKERIB - Mihran
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Mihran
Nampiditra : Mihran
Daty : 08/03/2024 12:02
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138