You are here: home > Vetso

Fitia - Mimine

Azo vakiana?

FITIA ...

TOA TSY HAIKO NY HAMINTINA
AO ANATY TENY FOHY
NY FISERANAO OMALY
SY NY TOHINY ANDROANY

FA NY TOKY NO NAMINTANA
SY NISINTONA NANJOHY
KA NAMELA ROHY FALY
TAO ANATIN'NY TOMANY

ENY, EKEKO HADISOANA
RAHA NY ANJARA NOFINIDY
NO HO LAVINA INDRAY
SY HEVERINA HO SOMPATRA

SAINGY INIANA TSY TSAROANA
FA NY FO NO MANDIDY
KA NANDORO NAHAMAY
ILAY HAFANANA VAO NIPONGATRA

Hevitra mandeha

Malalason (04/11/2004 13:51:36)

slt!! ny valala rahateo tsy in-droa mandry am-bavahady, mety izay koa no fotoana hifohazany, fa ny fitia tsy mba misy vanim-potoanany fa mamelana sy mandrobona @ ora tsy ampoizina. Mirary soa ho anao
R. JO

Miarantsoa (16/11/2004 13:51:20)

Marina raha azoko mihintsy e ! Mba hazavao kely amiko hoe ry zazavavy kely hendry be !

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Mimine

Nampiditra : Mimine
Daty : 04/11/2004
Mpamangy : 707
Mankafy : 2

Tononkalo hafa

Sambatra ....