Dada (Mitia)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mitomany mangina amin'ny andro sasak'alina
Miredy am-pitoniana ireo zay nofinofiny
(ho an'ny sombin'ny ainy)
Fa fanirian'ny fony ary sitrany ho lalaina
Ny zanany mba hendry mitovy ny an'ny sasany

Rehefa hivoaka ny trano,dia mianjaika akanjo raitra
Miaraka eny an-tanana ny finday hiaka farany
Izay ny nofinofiny ho entin-janany mianatra
Arahina kitapo lafatra aok'izany

Izany sy izany no fanirian'i dada amin'ny menaky ny ainy
Ho tony, hilamin-tsaina amin'izay rehetra atao
Ho toy ny an'ny hafa :ny fitafy sy ny tariny
Ka tsy hitsanga-menatra eny izaho sy ianao

Mivoaka maraina tsy mody raha tsy maizina
Miasa tsy misasatra, mba hahatsara ny zanany
Tsy mahalala reraka fa miasa tsy an-kijanona
Ny hany ao an'eritreriny "dia ny sombin'ny ainy"

Koa asakasakao tsy hanaja azy ireny
fa mafy tena mafy ny jaly izay iaretany
Koa izay eritreritrao tsy hamaly babena
Fa ireny no nataony dia tam-pitiavana.......
--------
Rohy:
177 2
Mpakafy: zarasoa34 - SANAKERIB
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Mitia
Nampiditra : ravelonarivomirado2001
Daty : 11/03/2024 17:08
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139