AN-DALANA - Myh'Andry
Azo vakiana?
Madivadiva ho ritra ny ranomaso etoana
Sento sy toloko, madiva tsy ho tsaroana
Manomboka manolatra ny fery izay anaty
Ilay saina nalahelo, toa tsapa ho miha-mafy
Kely angamba sisa dia ho tonga ilay maraina,
Ka hirehitra ao anaty ilay afo nandrandraina
Ilay nikelezana aina, nandrasana hatry ny ela
Mba handoro irony tsiaro, potipotika tavela.
Fa an-dalam-pandrosoana ilay fo voaratraratra
An-dalam-panotofana mba handevina ireo lasa
An-dalam-piadiana te handrava ny haizim-pito
Efa an-dalam-pivoarana, hibanjina ny ampitso.
Myh'Andry
2 Febroary 2022
Mombamomba
Mpanoratra : Myh'Andry

Nampiditra : MyhAndry
Daty : 03/02/2022
Mpamangy : 267
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
IANAO ❤️Ekeko hoe mafaitra ny mis
Tamin'ny ora voalohany va
Hiteny izao ianao hoe: Ni
ZATRA
... Izy ilay niloka ny t
HITSO-DRANO AZY AHO Raha
Avelao aho ho any
VINANY ADALADALA
VONINKAZO SOA (Ho an'i Neny)