LAZAO IZY FA..... - Myh'Andry
Azo vakiana?
Lazao izy fa....
Mahasambatra azy hoe ilay mitia anao mangina
Mahasambatra azy hoe ilay tia na aza tsy ho tiana.
Ampy ho fifaliany hoe irony tsikinao niserana.
Eny, milamina hoe ny sainy rehefa ianao no tsara toerana.
Lazao izy,
Efa maina tena maina hoe ilay masony tomany.
Dia, kalom-pifaliana koa no hisambarany raha any.
Efa vonton-kafanana hoe ilay ririniny fahiny,
Ary koa tsy tazana any ireo sentom-pony tamin'iny.
Lazao izy...
Angolangola miaro tsiky hoe no nanombohany ny lalany
Rehefa sambatra hoe ianao dia izay no tena fahasambarany.
Koa dia misambara hoe, aleo hivalona ny lasa.
Fa efa hanolatra hoe ny azy, ilay fony izay naratra.
Lazao izy.....
Myh'Andry
22 Desambra 2021
Mombamomba
Mpanoratra : Myh'Andry

Nampiditra : MyhAndry
Daty : 22/12/2021
Mpamangy : 561
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
IANAO ❤️Ekeko hoe mafaitra ny mis
Tamin'ny ora voalohany va
Hiteny izao ianao hoe: Ni
ZATRA
... Izy ilay niloka ny t
HITSO-DRANO AZY AHO Raha
Avelao aho ho any
VINANY ADALADALA
AN-DALANA