You are here: home > Vetso

VINANY ADALADALA - Myh'Andry

Fotoana vitsy monja no niresahantsika
Dia tsapako sy reko, manonja te miampita
Hiantefa any aminao ny foko sy ny saiko.
Babonao aho angamba, asa re fa tsy haiko?

Fa ny ora iray na roa dia nolaniako mihitsy
Mba nentina nibanjina ireo sarinao mitsiky.
Ilay zatovovavy kely toa zarazara endrika
Nanintona ny foko, nambabo sy nandrendrika.

Oh! any izay ianao, asa hoe manao ahoana?
Fa ny eto lasa saina toa mitogaigy foana
Mandrevo ny endrikao dia velon-kalokalo.
Mbetika aho mitsiky, indraindray toa saropiaro.

Eh! Fotoana vitsy izay, vitsivitsy fa mafonja,
Mahalasa ny vinaniko mitetitety ny onja
Te ho anilan-dry, toa te hianoka hankafy.
Moa aho lasa adala sa izany ilay hoe tia?

"Tsy fantatro izay antony"

Myh'Andry
21 Febroary 2022

Hevitra mandeha

Fyainana (01/03/2022 05:07:21)

❤️❤️❤️