Hafatro ho anao (Naina R (Tsindrano Maneho))
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAFATRO HO ANAOAza tsiny aki malala amin' izao hafatro izao,
Aza tsiny fa manao izay tsy tokony hatao
Hanafatra aho mantsy fa ny ampitso mbola tsy haiko
Fa mbola tsisy aloha hatreto izay fambara ny amin'ny aiko!!
Mbola tsy fantatra mihitsy izay iray ho lasa aloha
Fa tsy maintsy ho avy ny fotoana hifandaozantsika roa
Na izany aza anefa dia hanafatra aho malala
Raha izaho no lasa aloha,mba ataovy tsara karakara!
Inoako marimarina na tsy ho lazaiko anao
F'efa vita hevitrao izay mba tokony hatao
Mila mahery aloha ianao vao mampionona ny hafa
Na..aza mamoha mandry ny tantarantsika lasa.
Ny latabatra fandriako ataovy rako-bonikazo
Efa tsara omana ao ny fonon-tongotra sy akanjo
'Zay sary tianao indrindra no ataovy andoha-fandriana
Porofoy ho fantatr'olona fa mitohy ny fifaliana.
Ataovy sora-tananao eo @ rindrina havanana
"Masina aki rahavako,,mandria am-piadanana"
Nisy akanjo iray izay,,ilay natolotro ho anao
Dia io no anaovy @ fiandrasana ahy ao.
Dia aza hadino re rahavako,ilay hirantsika roa
Ka r'efa hariva miari-tory dia hirahirao ao koa
Ilazao ireo sakaiza mpiara-miantsa tononkalo
Mba handravaka ny alina @ antsa maromaro.
Raha sendra irery ianao ka manembonembona ahy
Ity diam-peniko ity efa maneho ny momba ahy
Vakio hatrany am-piangonana ka hatrany am-pandevenana
Rehefa indrĂ¿ fa anjaranao no mandray fitenenana!
Fantatro aki malala fa mafy koa raha mafy
Ny fisarahana aman'aina ary mila tsy ho tanty
Nefa izao no hafatra apetrako ho anao
"Aza ela raha hanainga fa andrasako ao aloha ao"!
Dia aza hadino koa malala, ny misaotra mankasitraka
Ireo havana sy namana izay tsy nahafoy antsika
Fa tsara levenana aho ka aza mitomany intsony
Mbola ho avy ny fotoana hihaonantsika ary ambony!!
"Naina R."
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Naina R (Tsindrano Maneho)Nampiditra : Mikoriana
Daty : 07/06/2026 23:47
