Hanina zava-tsy fantatra - N'Aina
Ny alina tony dia tony
Ny volana tsara fitranga
Ny kintana iretsy sy irony,
Ny sofiko kosa ka ranga...
Ny taratr'Ivolana alefany
Isafosafoiny izay tràny
Ny foko indray kosa kanefany
Midoboka, hamaky ny tratrany
Ny raho-manembana tsisy
Ny lanitra mainty malefaka
Ny sentoko anefa indrisy,
Manimba ny Edena napetraka
Ny ora mikisaka mora
Tsy re ny fisosany akory
Ny biby tsy misy miakora
Ny saiko anefa oriory
Ny angely misioka, mandrisika
Ny voron'ny lolo mihantsa
Ny masoko vao mainka ditsoka
Tomany tsy misy mpandatsa
F'alahelo misiska anaty
Tsy fanta-tsy re fihaviana
Tsy alahelo ny havana maty
Tsy embona olona tiana
Tsy senton'ny nofy sondriana
Tsy angeson'ny be haitraitra
Tsy angotin'ny be faniriana
tsy hantan'ny tsy mba maharitra...
Fa hanina miakatra, ...miakatra...
Hanina ZAVA-TSY FANTATRA
1981
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : N'Aina
Nampiditra : zokinantitraDaty : 27/02/2018
Mpamangy : 612
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Rahavavin'ny fanahikoTONGA LAFATRA
Hymne et hommage ....(Ao...)
Mamiko
Takarivan'Ivola
LOHATAONA
TIAKO IANAO RAMALAGASY
AMBOHITSAINA (Ankatso)
NY TENY GASIKO
Namako sy RAHALAHIKO