Tiako ianao (Nalaina ANDRIAMBOLA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako ianao ry zazavavy
Tiako ho ahy samy irery;
Tiako tsy zaraina amin-kafa
Tiako ho anjarako fa tsy an-kafa


Nefa indrisy ianao efa lasan'olona;
Ka nefa ny foko tsy mety mihonina
Misisika mafy ny ho anao hatrany
Manomboka izao ka hatrany amparany


Raha toa ka sitrakao;
Ny hiara-dalana amiko izao
Dia mba ho ahy irery ianao
Fa ny foko efa anao


19 Spetembre 2017
Ambatondrazaka
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1563 3
Hevitra mandeha
nalaina.andriambola ( 30/10/2017 06:22)
Tiako ny manoratra
ambatondrazaka ( 09/12/2017 16:37)
Tiako be ilay tononkalo
andriambolan2018 ( 20/07/2018 17:16)
Tsara be
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nalaina ANDRIAMBOLA
Nampiditra : nalaina.andriambola
Daty : 30/10/2017 06:21
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143