Ho malalako (Nallysoa R.Naval)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hoentiko aiza izato heriko
Efa fantatrao ny feriko
Nefa miandrandra anao
Ny foko tia hatramin'izao

Miandrandra ka manolotra
Tsy dia ny eo an-tendro molotra
Fa ny tenako rehetra,
TIA ANAO tsy misy fetra

Tia ka miandrandra
Koa na varatra na avandra
Aoka hianjera amin'izao

Ny antenaiko dia ity!
Miandry anao ny foko tia
HO MALALAKO ary ianao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
802 1
Mpakafy: nallisun88
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nallysoa R.Naval
Nampiditra : nallisun88
Daty : 09/12/2020 09:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0119