Fandrosoana (nascri)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fandrosoana anefa dia misy tokoa,
koa andeha hifanampy isika Andrematoa.
Mila fanampiana mantsy Madagasikara,
mba ho isan'ireo firenena manatantara.

Ny fandrosoana anefa no antokin'ny tanindrazana.
Ny zavatra natao no aoka re ho tazana!
Izy io anefa dia mila fiezahana.
Miady mafy isika dia rava ireo sakana.

Ny sakana rehetra dia mila resena.
Ny Malagasy kosa, fandrosoana no ekena!
Andeha isika hanondrotra izany,
hiara_hitondra sy ampiakatra ny ambany.
--------
Rohy:
Sokajy : Ady - Tanindrazana
1064 1
Mpakafy: Nassa
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : nascri
Nampiditra : Nassa
Daty : 17/11/2018 17:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0128