nody haizina ny volana noho lay rahona nadalo (nasoolo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izao sy ianao teo aloh
De samy tena tia re ry Toky!
Nifanindrandalana ny fo
Ka tsi ahiahy ny hoe tsy atoky

Isika ra nifampizara teny
De nisy fona teny niavaka
Hita teny anefatsefany eny
Zay toa mitory lay fitiavana

Niova daholo anefa zany
Fa lay fahazarana fahiny
De tsy vitany eo tsy atao ihany
Fa manotra noho ny mpivahiny

Fa tsy ho zakako ny hahita
Anao rampitso eny andalambe
Ka tsy hijery fa hiampita
na itady lalankafa ale

Ekeko aloh fa marary
Izany hoe very olon-tiana
Fa mb’avelao zay tsy nanjary eh!
Fa aleo indray fifanampina

Meloka ah rah hampitombo
ny alahelo ao aminao
na atong’ izany mbola iombo
fa mbola ho eto aho ry Nandao!

fa toy ny sora-taretra
Na ko sora_batolah
Ilay fitiavako anao mitoetra
Ao anaty tsy ho voavah

Ka ra miteny ah oe:ho eo fona
De tiko isika ho mpinamana
Fa ho avy ny andro sy fotoana
Ny fanambadina tsy ho tambana

Fa enao koa aza milavo
Satria lay fo de mbola hiova
Fa toy ny rivotra mandalo io
na teotr’andro miovaova

fa ny fitia dia toy ny volo
ka mbola afaka ny hitsiry
ka na tsy eo intsony ilay Nasolo
de mbola ho avy ilay Mpandimby

I Neny koa efa nlaza
Oe ny fiti de toy ny ketsa
Ka na afindra hatrany Ambomalaza
Io de mbola haniry tsy hanampetra

ra ny alaeloko anao
de toa miavosa tsy hay ailika
satri de tena be reo efa natao
ka tsy ho vofafa na ho difitra

ILAY NASOLO MALAHELO
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
1130 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : nasoolo
Nampiditra : nasoolo
Daty : 17/08/2010 15:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0744