MANODIAVA (natiora narda)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eto aho izao,milaza aminao mazava tsara
F'aleo ny antsika ,hivalona ho tantara
Tsisy hoe nahoana,fa hainao mazava ny antony
Fa simbanao sy rotikao, fitiavako sy ny hakantony

Izy no safidinao ka dia tiavo andriamatoa
Ny fitiavany ihany koa,tsy manampaharoa;
ka araraoty sao dia lasan'olona eo;
Fa ny foko sy fitiavako haleo hijanona eo

Afa-po tanteraka aho,tamin'ny fanehoam-pitiavana
Fa mazava loatra ireo setriny ,fanadavana:
Mandehana izy tiavina,sady izy koa anie mendrika e;
Sady manam-pahaizana,tsara bika ,tsara endrika

Fa tsy maintsy hisy vidiny ny vitako hatrizay
Tsy maintsy hisy valiny ny fitiavako namay
Fa...mandehana aloha e!ndehana mitadiava
Fa ny fijaliana nentiko malalo รด!!manodiava


natiora narda
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana
1261 1
Mpakafy: natioranarda
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : natiora narda
Nampiditra : natioranarda
Daty : 14/01/2019 13:23
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134