You are here: home > Vetso

Tsarovy re olona! - Natita

Azo vakiana?

Misy ora toa tsy ho hay
Fotoana tokana tsy fantatra
Hiantsoan'Izy Ray:"Anao"
Amin'ny andro ankamantatra

Tsy misy hoe nahoana
Fa lasany tsotra izao
Ilay nofo mora levina
Ao anaty fahafatesana

Ny fanahy sisa miantrana
Ireo tapaka sy ny havana
Tsy hahafahana intsony
Hikopa-tanana ny tany

Raha nahavita nanasoa
Sy nandray ilay Jesoa
Ka nikatsaka ny tsara
Tsy ho ratsy fiafarana

Ny nanao ny sitrapony
Nanadino ny hambopony
Mananjara ny ho afaka
Raha mibebaka,mivavaka

Matokisa re Azy Tompo
Ny tsapa-tanana hiofo.
Ireo zava-bita no refesina
Ao aorian'ny hahafatesana

Mombamomba

Mpanoratra : Natita

Nampiditra : Natita
Daty : 19/01/2015
Mpamangy : 688
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Hafatra
Takariva menakely