You are here: home > Vetso

MAMPALAHELO - NATOANDRO R.J.D

Azo vakiana?

  Dia lasa fahazarana
Ireto fiangarana
Atao amin'ny meloka
Ka zary toa fanitsaka
Any am-paladia
Ny marina fandala
Ny Zo maha- Olombelona.

  Fa raha mahantra no diso
Na dia keky monja
Tonga dia any am-ponja
Tsy ilaina fitsarana
Sady koa dradradraina
Fa nahavita adalna.

  Ary raha lehibe no meloka
Dia izy indray no indro fa mirehareha fatratra
Sahy milaza marimarina
Ao ny vola be
Handevenana ny marina
Mampalahelo..!

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : NATOANDRO R.J.D

Nampiditra : andrinaivopaul2016
Daty : 07/07/2017
Mpamangy : 786
Mankafy : 1