ILAY FITIAVANA (Navh RAZAFINOMENJANAHARY)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hikombona ho moana ny vavan ny tsy tia
Rehefa isika roa no mahay mifankatia
mifandefitra sy mifampizara fitiavana
hiaiky ny tsy tia hatramin ireo havana

dia ho fitaratra isika eny an dalana ombana
hifampizara hafaliana alahelo izay tsy tana
hoentina mihatrlka ny sedra eto an tany
satria na aiza na aiza tsy maintsy misy izany

ny fiarahantsika roa hapetraka amin I RAY TSITOHA
mba ho sitraponY ny hiarahantsika roa
ka ho fofonaina no hametra ny fitiavana
ary ny fahafatesana no rindrin ny hasambarana

dia hivavaka ao tsy hiato foana foana
hametraka amin ATRA raha mbola manana fotoana
ka ho avy ny andro iray hifamofoantsika roa
hanavaozana ny dina ho mandrakizay tokoa.
--------
Lien:
1167 1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Navh RAZAFINOMENJANAHARY
Inséré par : navh
Date : 11/07/2015 10:22
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0126