Ilay Vohitra Iray (ndremaras)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay Vohitra Iray,


Taona maro lasa izay, nisy vohitra iray
Nifanojon'ny fitiavana, nirehitra nahamay
Betsaka no vita tao, ary tena tsapanay
F'io fitiavana io, ho dodoria mandrakizay.

Ankehitriny toa nianjera, Ilay Vohitra nijoro
Nosomparan'ny tsy tia, mba ho potika sy toro
Tantara sisa no tavela, f'Ilay Vohitra voadoro
Ny fitiavana mitoetra, mbola hihoatra tsy hikoro.

Raha hiatrika ny ho avy, dia izao no voadin-tsika
Tsy ny vohitra tsy akory, no hanakana tsy hiampita
F'ilay fitiavana naorina, efa tsara sy efa vita
No hanangana indray, Vohitra hafa hiarahan-tsika.

Dia izao no tsy ambaratelon'Ilay Vohitra ry Tiana
Raha misy fadisoako tany aloha na any aoriana
Aza atao mijaly re ny foko fa izao no efa dina
Ny fitiavako anao mbola be no hikoriana
Tsy ho takatry ny saina ary tsy voavinavina!


ndremaras
--------
Rohy:
722 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ndremaras
Nampiditra : ndremaras
Daty : 31/01/2014 14:52
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136